Fiaraha-monina vaovao

2. Fandraisan'ny fokonolona an-tànana ny fiainany sy ny ho aviny: FIARAHA-MONINA VAOVAO

Fiovan-penitra mahery vaika hakàna avy ao amin'ny fanjakana foibe ny fahefana ka hamindràna azy any amin'ny vahoaka mivantana amin'izay hanatsarany ny fiainany an-davanandro. Hamporisihina ny tsirairay handray anjara mavitrika amin'ny raharaha amin'ny sehetra rehetra eo anivon'ny fokontany misy azy. Ho jerena akaiky arak'izany ireo andraikitry maro sahanin'ny fanjakana foibe izay tokony hafindra:
  • mankany amin'ny ny faritra, hialàna amin'ny fivangongoan'ny fanapaha-kevitra aty an-drenivohitra ka mampitarazoka ny fampandehanan-draharaha.
  • mankany amin'ny fokonolona, ny fiaraha-monim-pirenena (société civile), mba hiantraika mivantana amin'ny vahoaka ny vokatsoan'ny ezaka rehetra atao ho amin'ny fandrosoana . Hapetraka arak'izany ny politika hanampiana sy hanohanana ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana, ny fandraharahana mikendry ny soa iombonana (social business, entrepreunariat social), ny fiarovana ny tontolo iainana (environnement).
  • lazaina mazava amin'ny vahoaka manontolo ny zava-misy marina (informations) mba hahafahany mandray ny fanapahan-kevitra marina sy mahomby.
Homena adidy bebe kokoa ny vahoaka amin’ny fitondràny ny fiainany. Hajanona amin’izay ny fomba taloha izay mitondra ny vahoaka ho toy ny zazakely.


Hanoratra aminay: Lapabe Tia Maro

Hiverina pejy voalohany